Fivorian’ireo loholona: handraisana fepetra Razafimahefa Herimanana

Mirona mankany amin’ny fanonganana? Nanao fanambarana ireo loholona miisa 14, tetsy Anosikely, omaly. “Tsy maintsy mandray andraikitra ny loholona ka hangataka fivoriana tsy ara-potoana amin’ny governemanta hampiantso izany ahafahana mandinika ny fepetra tokony horaisina anatin’ny fotoana faran’izay haingana”, hoy izy ireo. Notani­sain’izy ireo amin’izany fa tsy kilalao ny fiainam-pirenena ary midika ho tsy fahamatorana ny fihetsika nasehon’ny filohan’ny Antenimierandoholona. “Maha­ton­ga anay hanontany ny amin’ny fahasalamany ara-tsaina izany”, hoy izy ireo. Nohi­tsin’ireto loholona namany eo anivon’ny IRD ireto fa ho sarotra ny anankinana ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny olona mivadibadi-dela tahaka izany. Nanterin’ny fa­nambarana fa efa nanao fanadihadiana izy ireo ny amin’ny tsy mampitombina ireo fanambarana rehetra sy fanehoan-kevitr’ity filohana andrimpanjakana ity. Anisan’izany ny filazany ho nisy nandrahona na koa ny momba ny zanany vavy nalefa any ivelany. Tantara mitohy…

Synèse R.

Partager sur: