Nahitsy ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, tao amin’ny fahitalavitra TV5 Monde, manoloana ny fiainam-pirenena. ”Very hasina ny sata repoblikana noho ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny fanelingelenana mba tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisan’ireo depiote maro anisa ny praiminisitra. Ny fanomezana fahefana vonjimaika ny governemanta rehefa voatery nametra-pialana tsy ho filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tokony ho ny filohan’ny Antenimierandoholona no hitantanana ny firenena. “Nisehoana teritery ary kajikajy politika io fanomezana laka ny governemanta io”, hoy izy. Hita mibaribary koa ny fitanilan’ny governemanta tsy ara-dalàna. Misetrasetra sy mampiasa hery famoretana amin’ireo kandidà sy ny mpanara-dia azy ireo, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nangataka ny zom-pirenena frantsay ny filoha teo aloha nefa mbola nitondra ny Tetezamita, sady filoha faratampon’ny Foloalindahy. ”Tsy fanarahana ny etika sy ny fenitra momba ny moraly izany amin’ny toerana misy azy”, hoy ihany izy. Nahatonga azy kandidà miisa 11 niara-dia sy hijoro ho amin’ny fifidianana tsy mitanila izany, araka ny nambarany hatrany.
Nambarany fa maro koa ny fitarainana momba ny fanapahan-kevitry ny HCC sy ny Ceni. Mila diovina ny tontolo politika vao miroso amin’ny fifidianana mba ho eken’ny rehetra ny vokatra.
Synèse R.




