Nitohy tany Anivorano, Diana, indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Notanisainy tamin’izany ireo zava-bita sy ny hanohizana ny efa natomboka.
Nambarany fa ao am-pony sy tiany Antsiranana ka nilazany fa hiaraka hatrany noho ny fifankatiavana efa mitoetra. “Tsy mbola nisy filoha na mpitondra nahavita be izany teto. Maro ireo nampanantena saingy tsy nahavita”, hoy izy. Notsiahiviny tamin’izany ny fahavitan’ny lalana Ambilobe-Vohemar, izoran’ny fiara anatin’ny ora roa. Namboarina koa ny RN6 ary efa vita ny 80%. Hovitaina hatramin’ny farany izany lalana mampitohy an’Antsiranana sy Ambaja izany ary atao tara. Nampanantena ny tenany fa hanorina hopitaly sy CSB II any an-toerana. Nambarany fa maro ireo kandidà saingy iray ihany no hofidin’ny vahoaka sy ho lany. “Tsy mivadika isika fa volomboasary hatrany. Tandremo anefa fa misy voasary hafa any ary mampihivingivina… “, hoy izy. Notsindriny fa mila filoha miasa sy mahavita ity firenena ity, araka ny nambarany. Tsy nanao na inona ireo efa nitondra. Ilaina ny fifankatiavana sy ny fiarahana hatramin’ny farany ary ny fifanomezan-tanana hahatafita an’i Madagasikara. “Tsy misy miala amin’ny laharana fahatelo. Hifandray tanana isika ary tsy maintsy mandresy”, hoy izy.
Notsiahiviny tao Ambilobe kosa ny fifidianana ny taona 2018 ka nahazoany 75%. Natsidiny fa efa betsaka ny asa vita tao an-toerana ka mbola hampiana izany. “Mino aho fa 90% no omenareo ahy amin’ity 2023 ity”, hoy izy. Notanisainy ny fahavitan’ny “Lalan’ny firaisan-kina sy ny fampandrosoana”, Ambilobe – Vohemar, mampifandray an’i Diana sy Sava. “Tsy vita anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana. Antony mbola mampijoro ahy izany”, hoy izy.
Synèse R.




