Mirona amin’ny ”Ady gasy”. Miray feo Ranaivojaona Sylvia (Malagasy Lavorary Perfect), i Masy Goulamaly (Avotantsika miaraka i Madagasikara), Ratsiraka Annick, sekretera nasionalin’ny antoko Arema, samy nikasa ny ho kandidà : “Tanjonay ny hisian’ny fifampihainoana ary ivoahana amin’izao krizy izao”, hoy izy ireo. Niantso ny sehatra samihafa izy ireo mba handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’ny samy Malagasy. Melohin’izy telo mirarahavavy ny fampiasana herisetra. “Aoka ny mpitandro filaminana tsy ho hery famoretana na fitaovana politika fa ho hery fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”, hoy ihany izy ireo.
Nambaran’izy telo vavy fa mahita sy miaina ny zava-misy izy ireo. Anisan’izany ny fampizarazarana. Samy manana ny hitiavany sy ny handraisana ny lalàna ka miroso amin’ny fanjakan’i Baroa. Miaina anaty tahotra sy horohoro ny vahoaka. Tsy misy ny fanajana ny fanehoan-kevitra sy ny demokrasia, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Synèse




