“Tsoahin’ny antoko TGV sy ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) ny fitokisana napetraka tamin-dRazafimahefa Herimanana”, hoy ny fanambaran’ny birao politikan’ny antoko TGV, tetsy Ivandry; omaly. Notsiahivin’i Pierre Houlder, fa natolotry ny antoko amin’io andraikiny io izy ka tokony ho modely amin’ny fanajana ny antoko, fa indrindra eo amin’ny fitsinjovana ny tombontsoam-pirenena. Midika ho fitsipahana ny antoko sy ny filoha Andry Rajoelina, nipoirany, ireny fihetsiny sy fanapahan-keviny ireny. Nohamafisin’ny TGV fa misy fomba fiasa sy ny fitsipika tsy maintsy hajain’ny mpikambana rehetra. Nohelohin’izy ireo ny fihetsika tsy mitondra mankany amin’ny fitoniana nataon-dRazafimahefa Herimanana.
Nitohy teny amin’ny Antenimierandoholona, Anosikely, ny fanonganana azy. Tamin’ny alalan’ireo loholona miisa 15 amin’ny 18, nanala azy tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona intsony. Nanteriny anefa nialoha ny nandaozany ny lapan’Anosikely fa tsy ara-dalàna ny fivoriana tsy ara-potoana natao. Nahatezitra azy koa ny nilazana azy ho “marary saina”. Tsy nanaiky nanasalotra samboady ny loholona Ravalomanan Richard ny tenany. Tsy nanakana ireo loholona izany ka nirosoana ny fametrahana samboady ity jeneraly misotro ronono ity, tamin’ny alalan’ny filoha lefitra, Rabemananjara Nicolas.
Synèse R.




