Vato 15 amin’ireo loholona 15 tonga nifidy ny vato azon’ ny loholona vao notendrena, ny jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard, tamin’ny fifidianana teny amin’ ny Antenimierandoholona, Anosikely, omaly. Tsy hanapa-kevitra irery izy, araka ny nambarany. Tsy izy no hiady ho filoham-panjakana mpisolo toerana. “Nefa tsy hiamboho adidy ho an’ny tanindrazana aho, na amoizako ny aiko aza”, hoy izy. Tsy misy atahorana izany, fa aleo handeha ny fifidianana. Efa miomana
amin’ny fifidianana ireo kandidà, fa manembantsembana fotsiny mba hitadiavana… Mahatsiaro tena ho kely hery politika ny sasany mba hasiana fiaraha-mitantana ary zaraina ny fahefana. Mba mety matanjatanjaka kokoa ry zareo. Misy olona tafaroboka amin’izany.
“Tokony ho voafehy ny zava-misy. Tsy misy olana”, hoy ihany izy. Toy ny voafitaka isika satria mijery “facebook”, mihaino radio, mijery televiziona… Ny tena izy: tokony hiainga amin’ny zava-misy. Ny fisian’ny miaramila manongam-panjakana no atao hoe krizy fa tsy izao. Mandeha be ny seraseran’ny olona ka voafitaka hatramin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. Mbola serasera koa ny filazana hoe manao herisetra ny mpitandro filaminana. Ny mpitandro filaminana no be naratra no ho ny mpanao fihetsiketsehana, noho ny fandosirany no namparatra azy fa nianjera. Natahotra ihany izy ireo, fa tsy nisy nidaroka azy ireo.
R. Nd.




