Kandidà Rajoelina Andry : Mamy hoditra amin’ny vahoaka

Hatrany Fianarantsoa, hatraty an-drenivohitra, porofoin’ny vahoaka fa mbola Andry Rajoelina, kandidà laharana fahatelo, no mendrika ho filoha. Nifanitsa-kitro ny mpanohana, resy lahatra aminy.

Mbola voaporofo ny fitiavan’ny vahoaka ny kandidà Andry Ra­joelina amin’ireo faritra nolalovany amin’izao fampielezan-kevitra izao. Anisan’ny nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao Fiana­rantsoa sy ny teto an-drenivohitra amin’ny hamaroan’ireo vahoaka nifanitsa-kitro hatrany tamin’izany.
«Nanakoako ren’ny Nosy iray manontolo ny fifankatiavantsika ry Fianarantsoa.
Tsy mbola nisy fandraisana mafana tahaka izao nataonareo izao teto hatramin’izay. Voaporofo fa mahay mamaly fitia ny mponina eto», hoy izy. Nambarany fa mifampatoky isika. «Ianareo tsy miala amiko ary izaho tsy hamadika anareo. Hoentintsika mampandroso an’i Madagasikara izany», hoy izy.
Notsiahiviny fa teo anilan’ny vahoaka hatrany ny tenany ary namanareo tao anatin’ireo sarotra. Betsaka ireo asa vitantsika teto, maro ireo efa natombotsika ho fampandrosoana ity tanàna ity.

Fijerena bebe kokoa ny mponina
Hiompana misimisy kokoa amin’ny fanampiana anareo mponina isika manomboka izao, araka ny nambarany hatrany. Voatanisa tamin’izany ireo zava-bita, toy ny fotodrafitrasa samihafa sy ireo efa an-dalam-panatanterahana.
Nitohy teto an-drenivohitra izany ka nivolomboasary tanteraka Antananarivo, indrindra ny teo Antanimena sy ny manodidina.Nasongadiny fa tsy mila Tetezamita ketrehin’ny sasany ny tenany. Efa nomena toerana ireo kandidà sasany hanaovany hetsika saingy matahotra fifidianana. «Manala baraka ny firenena ny fanakorontanana ny fiainam-bahoaka.Tsy hivarotra sy hivezivezy…Ny antsika fitiavana tsy mihatsaravelatsihy…», hoy izy. Nanteriny fa ataontsika hitan’izao tontolo izao amin’ny novambra ny fandresena. Isika tsy mijanona intsony ary avelao hitabataba any… Akombony ny vavanao, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: