Nanomboka ny fampielezan-kevitra tetsy 67 ha ny eo anivon’ny “Association des musulmans pour le progres – AMP”, omaly. Nambaran’izy ireo fa tafiditra amin’ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina izao hetsika nataon’izy ireo nitety tanàna izao. “Miantso ny vahoaka tsy an-kanavaka izahay hifidy azy amin’ny 16 novambra izao”, hoy ny mpitarika, i Soamady Flavio. Nambarany ho anton’ ny fanohana ny fahitan’izy ireo ny zava-bita tao anatin’ny 5 taona na nandalo fotoan-tsarotra aza ny firenena. Anisan’izany ny Covid-19, ny rivodoza, ny ady any Ukraine. Tsy sakana tamin’ny velirano anefa izany ka maro ireo fotodrafitrasa vita teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ ny faritra : ny lalana, sekoly, hopitaly, tohodrano… “Takinay ny hanohizany ny tsy mbola vita “, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny AMP koa fa mpitondra tena nijery ny mpino silamo ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina, tamin’ ny nanaovany ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama ireo fety roa eo anivon’ity finoana ity, isan-taona. Ankasitrahan’izy ireo izany raha tsy mba nisy nijery nandritra ny taona maro.
Niantso ny rehetra ny AMP mba tsy ho voarebirebin’ny mpanao politika sy ho any amin’ny korontana. “Avelao haneho ny safidiny amin’ny hitondra azy ny vahoaka. Tsy mahasoa antsika ny fifandonana”, hoy izy.
Synèse R.




