Fianakaviambe iraisam-pirenena : “Zava-dehibe ny Lalàmpanorenana”

Namoaka fanambarana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, omaly. Nohamafisin’ izy ireo ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fifanatonan’ny ankolafy rehetra.

Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ahiahiny amin’ny fivoaran’ny tontolo politika ifandroritana eto amintsika. Nanterin’ireto avy amin’ny iraisam-pirenena ireto ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary koa ny fahafahana mivory an-kalalahana. Notsin­driny fa itovian’izy ireo fijery amin’ny Sampandraha­ra­han’ny Firenena mikambana misahana ny zon’olombelona ny ahiahy amin’ny fampiasan-kery tsy mifandanja amin’ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin’ny mpanohitra. “Mampirisika ha­trany ny ezaka ho amin’ny fifampiresahana, mety hitondra vahaolana azo tsapain-tànana, hamerenana ny fahatokisana ny zotram-pifidianana sy hampahomby ny fifidianana izahay”, hoy ihany izy ireo.

Fahalalahana

Nambaran’ireto fianakaviam-be iraisam-pirenena ire­to fa voarain’izy ireo ilay daty fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voa­lohany. “Fanirianay ny hampifanaraka ny zotram-pifidianana amin’ireo fenitra iraisam-pirenena. Izany hoe, mangarahara, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara ary am-pitoniana”, hoy izy ireo.
Nohamafisin’ny fanambarana ny maha zava-dehibe ny fiantohana ny fahalalahan’ireo kandidà hivezivezy, ny fahalalahan’ny fivoriana am-pilaminana, ary ny fampitovian’ireo manam-pahefana sy ny haino aman-jerim-panjakana ireo mpilatsaka hofidina ary ny hiantohana voka-pifidianana eken’ny rehetra.

Synèse R.

Ireo nanao sonia ny fa­nambarana : Ny delegasion’ny Vondrona eoropeanina (UE); ny solontenan’ny Fran­kofonia (OIF), ny ma­soivohon’i Alemana, Korea, Eta­zonia, Japon, Frantsa, Royau­me-Uni ary i Soisa.

Partager sur: