Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, tetsy Tsimbazaza sy ny Antenimierandoholona, tetsy Anosy. Nafana sy niavaka ny fanokafana izany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nipetraka nitokana tamin’ny seza havian’ny efitrano fivoriana avokoa ireo solombavambahoaka momba ny fitondrana, nanao akanjo volomboasary. Nitokana tamin’ny an-kavanana kosa ireo depiote miaraka amin’ny kandidà mitambatra 11, nanao akanjo fotsy. Nisongadina ny horakorak’ireo depiote miakanjo fotsy nandritra ny fidiran’ny filohan’ny Antenimierandoholona. Nitondra sora-baventy izy ireo milaza hoe: “miala i Ntsay”, nandritra izany. Namaly kosa ireo depiote niakanjo volomboasary fa: “io no izy”. Ankoatra izay, nisongadina, nandritra ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny horakoraka nifandimbiasan’ireo depiote andanininy sy ankilany ireo, raha ny zava-nisy teny an-toerana.
Raha ho an’ny tetsy amin’ny Antenimierandoholona indray, ny tolakandro, notarihin’ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard. “Olona manana fahendrena sy fahamatorana ary mendrika haja ny atao hoe loholona, tsy sanatria hifanompa na hifampikasin-tanana”, hoy Ravalomanana Richard, nandritra ny kabariny. Nilaza izy fa olom-boafidy manana ny hambompo fitiavan-tanindrazana. Tsy hampilamina ny firenena ny fikatsahana tombontsoa manokana sy ara-politika. Nohamafisiny fa avelao handeha ny fifidianana ary efa mizotra ny propangandy ankehitriny. Tanjon’ ny fivoriana ny handinihana ny tetibolam-panjakana izay hoenti-miasa amin’ny taona 2024.
Mino




