Hentitra ary nahitsy ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, omaly teny Tsimbazaza. Niantso ny amin’ny tokony hifampiresahana ny tenany.
“Ho an’ny andaniny sy ny ankilany, atsaharo ny fifandranitana izay tsy hitondra fitoniana. Aoka hiverina amin’ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoa, teny Tsimbazaza, omaly. Fenitra demokratika ny fahalalahana maneho hevitra ao anatin’ny fanajana ny lalàna. Koa manaja an’ireo fenitra ireo ny Antenimierampirenena. Tsy ilaozan-dromoromo rahateo ny politika, fa ny safidin’ny vahoaka ihany na ny fifidianana ihany na ny fifampiresahana no mamarana an’
izany. Izay tsy miady, olom-bodo; fa izay to fo, mamosavy. Manentana ny rehetra mba hanaja hatrany ny zo maha olona, tsy hisian’ny fampiasan-kery sy ny fifandranitana amin’ny endriny rehetra, na avy amin’ny andaniny na avy amin’ny ankilany. Tsapa fa manindry fo tokoa ny mpitandro filaminana.
Tandrovy ny fihavanana
Aoka hifanaja fa zava-poana ny zava-drehetra tsy ao anatin’ny fitoniana sy fanetren-tena. “Tsotra ihany ny hafatray ho an’ny mpanao politika sy ho an’ny vahoaka malagasy, ataovy toy ny dian-tana: jereo ny eo aloha, itodiho ny ao aoriana”, hoy izy. Ho an’ny vahoaka ihany, alaviro ny fifandrafiana noho ny antony politika. Tandrovy mandrakariva ny fihavanana, fa io no tsy rava. Eo koa ny fifankatiavana fa izany no mampiray. Tsy misy soa azo avy amin’ny tabataba na korontana.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo filohan’andrimpanjakana isan-tsokajiny, ireo masoivoho vahiny na ny solontenany, ireo avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena na mpiara-miombon’antoka teknika na vola amin’i Madagasikara…
R. Nd.




