“Madagascar tennis project” : mpianatra 160 nomena fahalalana fototra

Tonga eto Madagasikara ilay Malagasy mpilalao tenisy, i Miary Zo sy ny ekipan’ny AST Herblay, Frantsa. Mizara sy manome fiofanana ary manome fahalalana fototra amin’ny alalan’ilay tetikasa “Madagascar tennis project”, izy ireo.

Notanterahina omaly, te­ny amin’ny sekoly Apeaf Antsobolo, ny tetikasa “Madagascar tennis project”, novolavolain-dRakoton­dramboa Miary Zo, mpilalaon’ny klioba AST Herblay Frantsa. Nisantarana izany ny fanomezana fahalalana fototra ho an’ireo mpianatra miisa 160 mianadahy, 6 – 11 taona, tsy mbola mahalala ny tenisy mihitsy. Notsiahivin’i Miary Zo fa niainga avy amin’ ny fiaraha-miasa teo aminy sy i Thomas Friant, mpampiofana azy ka nahazoany ny «diplôme DEJEOPS Tennis», ny volana jona lasa teo sy i Bertrand Levacher, directeur sportif, izy ity.
Nambarany fa efa faniriany hatramin’izay ny hanana tetikasa hampiroboroboana ny tenisy eto Madagasikara. Nisy ny firesahany tamin’ny federasiona malagasy (FMT) ka tonga amin’izao dingana izao, izay noderain-dRasendra Sylvia, filoha lefitry ny federasiona malagasy. Nambaran’i Thomas Friant sy i Bertrand Levacher fa tonga hanome sy hizara ny traikefany izy ireo. Tanjona ny hanampy amin’ny fametrahana rafitra hampivoarana ny tenisy malagasy, mba hankafizan’ny ankizy ity taranja ity.
Tsiahivina fa nisy fitaovana milanja 200 kg nahitana raketa, baolina, fitafiana sy kiraro fitondra amin’ny fanatanjahantena, avy amin’ireo malala-tanana tany Frantsa, hozaraina amin’ireo ankizy, lalovan’ny Madagascar tennis project. Hitohy ny fiofanana, ny Galaxy tennis ho an’ireo ankizy efa ao anaty klioba ny anio. Hisy ny fifanakalozana hifanaovana amin’ireo mpanazatra. “Tsy hoe izahay akory no tapi-pahaizana raha manao izao fa fanampiana ihany amin’izay kely hainay”, hoy i Miary Zo. Aorian’Antananarivo, ho any Antsirabe sy Toamasina ny “Madagascar tennis project”.

Torcelin

Partager sur: