Haintrano teto an-drenivohitra : Olona telo maty kilan’ny afo

Zava-doza! Namoy ny ainy, may tao an-tranony teny Sabotsy Namehana, omaly maraina ny lehilahy iray. Niara-maty kilan’ny afo teny Antsakaviro kosa ny mpivady, afakomaly alina.

Namoy ny ainy, may kilan’ny afo tao an-tranony eny Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Name­hana, omaly maraina, ny lehilahy iray. Monina efa an-taonany maro anaty trano hazo izy. Miasa sy mampiasa jiro labozia izay apetrany eo an-doha fandriana amin’ny alina, araka ny fitantaran’ny manodidina. Nahare antso vonjy sy tabataba ny mponina manodidina tamin’ny alin’ny alakamisy nifoha zoma (omaly). Nivoaka nijery ny zava-nisy izy ireo. Rakotra afo ny trano fonenany. Niezaka nifehy ny firehetana ireo nanatri-maso. Nitady ny fomba rehetra namoahana an’ilay lehilahy tao anatin’ny trano ny mponina tsara sitrapo. Nahazo ny vatan’ilay lehilahy ny afo izay nahery sy efa nahazo vahana tanteraka tao anatin’ny minitra. Tsy tana ny ainy. Tsy nialana nenina teny anivon’ny toeram-pitsaboana intsony izy.

Mpivady niara-maty
Ankoatra izay, niara-maty kilan’ny afo tao an-trano fonenany, etsy Antsakaviro Ambo­diroatra, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany, ny mpivady. «Somary efa narefo sy tsy salama ara-batana izy mivady, tsy afa-nitsangana hany ka tsy afa-nanavotra ny ain’izy ireo, izay rahateo ny antony nahatonga azy ireo may tao», hoy Ramarijaona Jean Eugène, havan’ny maty.
Naharitra 30 minitra teo ny firehetan’ny afo. Nifarimbona namono izany ny mpiara-monina. Efa may nikarainkona niankin-drindrina ilay lehilahy, raha nitsotra teo am-pandriana ilay vehivavy, tamin’ny fotoana nahitana ny razana. «Tombanana ho ambin’afo nampiasaina tao an-trano no nahatonga ny firehetana », hoy hatrany ny havany.
Tsy hiaretan-tory any an-trano ny razana fa ajanona ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha. Amin’ny alahady fotoana handevenana ny razana vao alaina eny an-toerana izy ireo. Tonga nijery ny zava-misy ny polisy sy ny fokontany Ampahibe sy Antsakaviro. Naka ny razana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-paty ny avy amin’ny BMH. Marihina fa tsy manan-janaka ireo mpivady 50 sy 45 taona ireo.

Tsiferana R. / Mino

Partager sur: