Araka ny fikarohana navoakan’ireo sampandraharaha misahana ny vinavinan’ny toetr’andro maneran-tany, hafana raha oharina amin’ny tokony ho izy ny ranomasina manodidina ny fehintany any amin’ny atsinanan’ny Ranomasimbe Pasifika ka ao anatin’ny vanim-potoana «El Nino » isika izao.
Ho an’ny ranomasimbe Indiana, hafana mihoatra amin’ny tokony ho izy ny maripanan’ny ranomasina amin’ny ilany andrefana raha oharina amin’ny ilany atsinanana. Ny Atsimon’ny ranomasimbe Indiana kosa dia hifanaraka amin’ny tokony ho izy ny hafanan’ny ranomasina.
Anatin’ny folo andro fahatelon’ny volana novambra ny fiatombohan’ny fiavian’ny orana ho an’ny faritra Analamanga, araka ny vinavinan’ny teknisianina. Ho betsaka ny tahan’ny rotsakorana ary mety ahina ny tondradrano ny volana janoary ho an’io faritra io.
Momba ny rotsakorana ho an’ity volana ity, tombanana hifanaraka na hanatombo amin’ny tokony ho izy ny refy ho an’ny faritra Analamanga ary mbola mitovy amin’izay ihany koa ho an’ny volana novambra.
Vonjy




