Miara-miasa amin’ny kaominina Vohémar ny orinasa Orange Madagascar hanavaozana ny fotodrafitrasa efa misy any an-toerana sy hanatonana bebe kokoa ny vahoaka. Mifandraika amin’izany ny fananganana fotodrafitrasa vaovao na fanatsarana ireo nampiasaina taloha hitondra fivoarana ho an’ny tanàna. Tafiditra ao ny fanavaozana tanteraka ny bazary Ambondrona. Sady lasa toerana madio no maoderina ary mahafinaritra ny maso ny faritra hifamezivezen’ny mpivarotra sy ny mpividy isan’andro.
Hitondra fivelarana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny toeram-pialamboly vaovao voaaro, ahitana kilalao samihafa. Nahazo ny anjarany koa ny mpitia fanatanjahantena satria nolokoina sy nohatsaraina ny fefin’ny Kianja monisipaly sy ny toerana filalaovana basikety.
Ho an’ny Orange Madagascar, mariky ny fametrahana fifampitokisana eo aminy sy ny vahoaka ny fikolokoloana ny tontolo iainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Mifanohana amin’ny mpitantana eny ifotony rahateo ny orinasa manatsara ny tanàna araka ny filana.
Vonjy




