Ady amin’ny kitrotro sy ny poliomelita : Hisy ny fanaovam-baksiny faobe manerana ny Nosy

Anisan’ny ezaka hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy miantoka ny fahafahan’ny ankizy mahazo vaksiny eny amin’ny toerana akaiky azy ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro.

Hanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny kitrotro sy ny poliomelita, miaraka amin’ny fizarana vitamine A, ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 9 oktobra izany, eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny toerana voatokana manerana ny Nosy, araka ny fanazavana. Natokana ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana sy ireo zaza tsy mbola natao vaksiny mihitsy ny hetsika. Ho an’ny zaza enim-bolana hatramin’ny 59 volana tsy mbola nahazo izany, ny volana jolay hatramin’ny septambra kosa ny vitamine A.
Distrika 81 manerana an’i Madagasikara no nahitana trangana kitrotro, tamin’ity taona ity. Manoloana izany, manamafy hatrany ny fepetra fisorohana ara-pahasalamana ny fitondrana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, hifehezana sy handresena ity valanaretina ity. Tsy fanaovam-baksiny faobe ihany no hotanterahina fa eo koa ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro amin’ny paikady samihafa.
Nanomboka ny taona 2026, tranga enina mifandraika amin’ny fivezivezen’ny Po­liovirus de type 1, iray amin’ny tsimokaretina mahatonga ny lefakozatra no voamarina teto Madagasikara. Efa nisy ny he­tsika fanaovam-baksiny hampihenana ny fiparitahan’izany, ny 11 ka hatramin’ny 14 aogositra lasa teo, ho an’ny faritra dimy voakasika. Araka ny an­tontanisa ny volana jona 2026, nahatratra 82% ny tahan’ny zaza nahazo ny vaksiny VP1 raha 90% ny tanjona napetraka.
Nahitana vokatra tsara ny hetsika ka 104% ny tahan’ny fandrakofana ary 1 222 196 ireo ankizy nahazo vaksiny VP0.

Vonjy

Partager sur: