Mampandroso firenen-kafa ny Malagasy manampahaizana rehefa tsy omena ny lanjany sy ny toerana ahafahany mitondra fampandrosoana eto amin’ny taniny. Tsy tokony hampatahotra velively ireo manampahaizana.
Namoaka ny andiany faha-19 ny CEDS omaly, tetsy Anosy, ary nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny CEDS izany hetsika izany.
Nisongadina nandritra ny resaka nataon’ny tomponandraikitra, Rasoarahona Solofo, fa tokony homena toerana ny Malagasy manampahaizana amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy tokony hatahotra ny manam-pahaizana ny mpitondra. Tokony iaraha-miasa ireo olona mahay fa sady mampivoatra ny tena no mampivoatra ny firenena. Aoka izay ny fanenjehana ny manam-pahaizana, hoy hatrany ny fanazavana.
Manam-pahaizana ny Malagasy kanefa mitsoaka any ivelany ny ankamaroany satria tsy omen-danja izy ireo. Misy ireo lasa lehibe amina orinasa goavana any ivelany. Misandratra ary manana ny maha izy azy rahateo izy any amin’ny firenen-kafa ka aleony mitondra ny fahaizany any rehefa tsy ilain’ny eto an-toerana.
Tsy haintsika ny mitazona ny manam-pahaizana hampandroso ny firenena ka lasa mikorosofahana ny fiainam-pirenena manontolo. Omeo ny lanjany sy ny toerana mendrika azy ireo manampahaizana fa mahavita sy mahay mitantana ireo, hoy hatrany Rasoarahona Solofo.
Nianatra manokana ny lalàna sy ny fitantanana ary ny politika ankapobeny ireo mpianatra. Azo antoka ny lentan’ny fahaizany ary manaporofo izany ny anjara biriky efa nentin’ireo efa nomena toerana. “Ireo mpitantana amin’izao ve mahafehy izany?” hoy ny fanontaniana napetraky ny avy ao amin’ny CEDS.
Nasongadina nandritra ny famoahana ireo andiany faha-19 ireo mpampianatra mpampiofana.
Olona mendrika ny mpampianatra ary mila mpampianatra vanona ny fampandrosoana ny firenena.
Tatiana A




