Zo fototra ho an’ny isam-batan’olona ny hahazo fitsaboana sy torohevitra hisorohana ny valanaretina. Manatanteraka ny fahazoana izany zo izany ny fikambanana mpitsabo misehatra any amin’ny toerana tsy tongan’ny fiarakodia ary miasa maimaimpoana.
Nanainga omaly ho any amin’ny kaominina Ambatonikolahy, distrikan’i Betafo ny mpitsabo sy mpikambana ao anatin’ny Malagasy ‘s Healers hizaha fahasalamana ho an’ny mponina ao anatin’ny kaominina. Mpitsabo 10 (samy manana ny specialité), mpisehatra sosialy roa ary manampahaizana amin’ny serasera iray no mandrafitra ny fikambanana niorina ny taona 2021. Asa roa no iandraiketany, ny fisorohana ny valanaretina amin’ny fanentanana ny vahoaka tsy hinohino foana fa misy fanazavana siantifika avokoa ny trangan’aretina misy ary manana fitsaboana mifanaraka aminy. Hetsika faharoa ny fitsaboana mandeha manakaiky vahoaka (medical camp) any amin’ny toerana tsy tongan’ny fiarakodia. Tanàna atao dia an-tongotra adin’ny roa aorian’ny fijanonana amin’ny fiara no hitondran’ny Malagasy’s Healers fitsaboana, araka ny fanazavan’ny dokotera iray ao amin’ny fikambanana, Domoinamalala Marie Lucienne. Manome fanafody sy solomaso ho an’ireo manana olana ara-pahitana izy ireo. Roa volana mialoha no manao fanentanana amin’ny toerana hanaovana ny asa izy ireo ary mandray ny fisoratana anarana ireo maniry ny hisitraka ny tolotra fitsaboana maimaimpoana. Any Ambatonilokahy, olona 850 no nisoratra anarana amin’ny fandalovan’ny fikambanana anio any an-toerana. Tsy hanavahana saranga ny olona raisina fa voakarakara avokoa rehefa nisoratra anarana. Mitondra ny fanafody sy ny fitaovana ilaina rehetra ny fikambanana rehefa manao “medical camp” izay tanterahina indroa isan-taona satria laharam-pahamehana ny fahasalaman’ny daholobe.
Hetsika fahatelo …
Hetsika fahatelo izao tontosaina izao raha olona 1000 no voakarakara ho an’ny andiany roa voalohany. Manao fitadiavam-bola izy ireo mialoha ny hikarakarana ny “medical camp”, manampy izay ny fanangonam-bola “en ligne” sy ny latsakemboky ny mpikambana ahafahana mividy fitaovana sy fanafody rehetra ilaina.
14, 5 km avaratry ny distrikan’i Betafo no misy ny kaominina Ambatonikolahy ary 39km raha miainga avy ao Antsirabe. Tombanana ho manana mponina 18 000 ny kaominina.
Vonjy




