Mifarana ny volana natokana hoenti-miady amin’ny homamiadan’ny nono. Mizara ny traikefany sy ny fomba tsotsotra azo hisorohana izany ny profesora Hasiniatsy Rodrigue. Ity farany izay filohan’ny fikambanan’ny mpitsabon’ny aretina homamiadana eto Madagasikara (Arom).
Misy ireo tranga mampitombo ny fahazoana ny aretina saingy azo sorohina. Zava-dehibe ny fanaovana fanatanjahantena 30 minitra isan’andro. Toraka izany ny fialana amin’ny hatavezana satria tena mandrisika ny fahazoana ny aretina ny tavy ratsy anaty vatana. Ny fandanjalanjana ny sakafo ohanina sy ny fampiasam-batana no paikady mahomby amin’izany. Ny fampihenana, araka izay tratra, ny fihinanana hena sy ny zavatra matavy dia efa tena ezaka lehibe isorohana amin’ny homamiadan’ny nono. Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voankazo sy legioma maro loko. Tsy tokony hifoka sigara na hisotro toaka ny vehivavy satria tena mampiakatra haingana ny tahan’ny fahazoana ny aretina izany.
Anisan’ny mampihena ny tataom-pahavoazana ny fampinonoan-dreny hatramin’ny faharoa taonan’ny zaza. Fihetsika tsotra hahafahana miady sy misoroka ny homamiadan’ny nono ireo. Tsy tokony hohadinoina ihany koa ny mitsapa matetika ny nono aorian’ny fadimbolana sao sanatria misy ny fivontosana mba hahafahana mitsabo mialoha.
Tatiana A




