« Adilahy politika », « Fifandirana ara-politika »… Politika, …Politika… Politika ! Tena izay tokoa ve no mahazo ity Nosin-drazana ity ? Raha mba misokatra kely ilay fomba fijery dia any amin’ny “famatsiana iraisam-pirenena”, “mpamatsy vola iraisam-pirenena”, “orinasa afakaba”… Izany hoe, raha faran’izay lasa lavitra indrindra, any amin’ny resaka toekarena no ambara fa olana mianjady amin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy voaresaka mihitsy ny lafin-javatra hafa. Toa voafefin’ireo (politika sy toekarena) ny sain’ny Malagasy ka mametraka ny goavana ho toy ny zava-bitika…
Matoa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra, maty hasina ny Malagasy. Tsy tokony hanomezana tsiny ny vahiny, satria, samy tompon’andraikitra ny tsirairay. Tsy fantatry ny Malagasy ny momba azy. Hadinony ny teniny. Toy izany koa ny tantara, ny fomba, sns, tsy hay intsony. Tsy mahatsiaro ny razany ny Malagasy. Ireny anefa no maha firenena ny firenena iray.
Tsy mifototra irery amin’ny resa-politika sy toekarena ny mahatonga ny Malagasy sy i Madagasikara tafahitsoka anaty lavaka lalina tahaka izao, fa vokatr’io fahaverezan-kasina ateraky ny tsy fahalalana ny tantara, fomba, finoana, teny ary tany io. Noho izany, tsy ny mpanao politika ihany no tokony hahatsapa izany fa ny Malagasy tsirairay mihitsy. Rahoviana anefa no ho tonga any amin’izay dingana izay ny Malagasy?
Mila mifanafy haja, mifanome voninahitra ary mifampitandro hasina ny Malagasy raha te hiala eo ambany vahohon’ ny vahiny!
HaRy Razafindrakoto




