Olona ambony tosidra : tsy mahafantatra ny toe-tenany ny 50%

Maro amin’ireo olona ma­nana tosidra ambony no tsy mahafantatra akory fa tokony hanara-maso akaiky ny toe-pahasalamany izy ireo. Fan­tara fa ny 50% amin’ireo olona manana tosidra ambony dia tsy mahatsapa izany akory, raha ny fanazavana nentin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vokatr’izany no mahatonga ny fahatapahan’ny lalandra satria tsy manampo, tsy mitsabo.
Azo sorohina anefa ny 90% amin’ny fahatapahan’ny lalandra, raha ny fanazavana hatrany. Amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny fahasalamana matetika no hisorohana izany sy ny fananana fomba fiaina ara-pahasalamana.
Mila arahi-maso matetika ny tosidra satria ny fiakaran’ ny tosidra no antony voalohany mahatonga ny fahatapahana na fahatsentseman’ny la­lan­dra. Raha mihoatra ny 140-90mmHG ny tosidra dia mila manatona mpitsabo avy hatrany mba tsy hitera-doza.
Mila lanjalanjaina ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Misakafo ara-pahasalamana ary tsy atao be sira ny sakafo. Mila mailo ihany koa amin’ny fanaraha-maso akaiky ny tahan’ny siramamy sy ny tavy ratsy anaty ra. Tokony hampiasa vatana foana isika, toy ny dia an-tongotra 30mn isan’andro raha kely indrindra.
Hajanona tanteraka ny fifohana sigara satria io no mampitombo avo roa heny ny me­ty hahavoazan’ny «AVC ischémique cérébral» na fahatsentsenan’ny lalandra any amin’ny loha. Tsy mifidy na lahy na vavy fa indrindra ireo efa nahazoazo taona dia tena saro-pady ny tosidra miampy ny fifohana sigara.

Tatiana A

Partager sur: