“Tranga fakana an-keriny zaza varira efatra no niseho tao anatin’ny volana iray monja”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence. Zaza fito taona nisy naka an-keriny ka maty ary notapahina ny lohany, tao Ikongo. Zazalahy herintaona sy tapany nisy naka an-keriny ka tsy mbola hita hatramin’izao, efa ho iray volana mahery izay, tao Ankilizato.
Zazalahy nisy naka an-keriny ka tsy mbola hita sy tsy mbola nahazoam-baovao hatramin’izao ny momba azy, tao Bekitro, distrika Bekily. Zaza sivy taona nalaina an-keriny ary hita soa aman-tsara saingy tsy hita ireo olona nahavanon-doza hatramin’izao, tany Farafangana.
Manamafy ny fanambarany ny fikambanana fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ary manaitra ny tomponandraikitra amin’ ireo faritra nahitana trangana fakana an-keriny. Tsy amelanay raha tsy hita ny marina momba ireo halatra varira sy ireo raharaha tsy nisy tohiny hatramin’izao ireo, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana.
Mahatsiaro ho ankilabao ny olona manana toe-tena varira satria tsy mahataitra ny fanjakana ny famonoana sy ny sotasota atao amin’izy ireo. Efa maro ny fifanarahana natao tamin’ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpitandro filaminana ka miandrandra fandraisan’andraikitra izy ireo.
Tatiana A




