Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Amiroudine Andrialemirovasoa, omaly. Ho fantatra rahampitso ny anaran’ ireo Malagasy mpilalao efatra handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, mandritra ny “Mondial 2023”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana maneran-tany izay hotanterahina any Bangkok Thailande, ny 23-26 novambra ho avy izao.
Tsiahivina fa ny sokajy “senior”, vehivavy sy ny “Junior”, sokajy lehilahy no handray anjara ho an’i Madagasikara. Tsy mbola fantatra ny andro hialan’ny ekipa nasionaly malagasy, saingy efa manomana ny taratasy rehetra ny federasiona
amin’izao fotoana izao. Mbola any Antsirabe ny sokajy “Junior” no manao fanazarantena, raha ny filazan’ity filohan’ny FSBM ity. Tsara ny mampahafantatra fa ny filoha lefitry ny FSBM, Andrianirina Adrien Julio Edouard, no hitondra ny ekipa “Junior” malagasy.
Ankoatra izay, efa fantatra ny ekipam-pirenena, sokajy vehivavy, izay tarihin- dRandriambahiny Hanta Francine na Cicine. Anisan’izany, Malalaharison Miary Hasina, Andrianarimalala Judicaël, Razafinankanga Mirana ary Randriamalala Felanirina Harinivo.
Fitia Randria




