Mois : octobre 2023

Zotram-pifidianana : mafana ny rantsamangaikany ny Ceni

“Ny maha zava-dehibe izao fanofanana ny mpampiofana izao, ahazoana mahafantatra ny votoatin’ireo antontan-taratasy sy rindrambaiko. Izy ireo ihany koa no hampiofana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana”. Io no nambaran’ ny filohan’ny Ceni, Andria­narisedo Dama Arsène, nanomboka ny fanofana ireo rantsamangaikan’ny Ceni tany Mahajanga, faritra Boeni, afakomaly, izay nifarana omaly. Iankinan’ny fahombiazan’ny fifidianana […]

Handrora mitsilany

  Misamboaravoara ilay sambobe antsoina hoe Madagasikara. Tsy hita izay handraisana ny tolon’ilay vondron’ny kandidà 11 sa efa 10 ankehitriny? Ilay iraikalahy, nandeha nanao fampielezan-kevitra, milaza mpikambana feno amin’ny hetsika. Nisalotra lamba fotsy, nilaza fa mariky ny firaisan-kina. Mivoy ilay tsy fitiavam-bazaha ka zary miteniteny foana, toa mandrora mitsilany. Vadim-bazaha… […]

Kandidà Rajoelina Andry: “Hanakaiky vahoaka sy hijery ny tantsaha isika”

Nitohy tany Analavory sy Soavinandriana, any Itasy, ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Nampanantena ny tenany fa hojerena koa ny tantsaha. Nambarany fa hifanohana hatramin’ny farany ho amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny vahoakan’ny faritra Itasy. Notsia­hiviny fa fotodrafitrasa tsy vita tao anatin’ny taona maro no naorina […]

Ambilanibe Anosipatrana : feno jiro halatra tao an-tranon’ireo jiolahy

Noraisim-potsiny ! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohiman­gakely, afakomaly, ireo jiolahy roa raindahiny amina halatra jirona fiara. Lasibatr’ireo mpangalatra ny jirobe anoloana sy aorian’ny fiara. Maro ireo manana fiara no mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpangalatra. Nitrangana halatra jiro teny amin’ny fokontany Be­hitsy, kaominina Ambohiman­gakely, Antananarivo Avara­drano, ny 17 oktobra 2023 […]

TSELATRA

Trano lehibe iray misy rihana no kila hotohoton’ny afo teny Miandrarivo Ambanidia, omaly hariva. Fipoahana herinaratra no voalaza fa nahatonga ny firehetana. Nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina ny fokonolona teo an-tanàna. Na somary nanano sarotra aza ny famonoana ny afo, avotra soa aman-tsara ireo […]