« Anim’Ato Mada »: efa miatrika ny fiofanana ireo voafantina

Nisokatra nanomboka ny 30 oktobra 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny 15 desambra 2023, ao Antsanitia Maha­janga, ny « Anim’Ato Mada ». Ny fikambanana « Rencontres du Film Court de Madagas­car » no mikarakara ny hetsika. Fampiofanana izay natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika aty Afrika. Tan­jona ny haha matihanina ireo Afrikanina miangaly ny fanatontosana sy fikirakirana ny horonantsarimihetsika, mba hampiroborobo izany haikanto izany. Miisa folo izy ireo, ary ahitana Malagasy iray no miatrika izany fiofanana izany.
Miatrika fiofanana, mandritra ny iray volana sy tapany ao Antsanitia Mahajanga, ireo mpiangaly horonantsarimihetsika, voafantina hiatrika ny “Anim’Ato Mada”. Miisa folo izy ireo, dimy lahy sy dimy vavy, no voafantina hiatrika izany, ary anisan’ny miatrika izany i Dolph Hasner, mpanao sary eo anivon’ny fanatontosana horonantsarimihetsika.
Tanjona amin’ity fampiofanana ity ny handrafitra ekipa mpanentana vonona ny hanatanteraka horonantsarimihetsika. Eo ihany koa ny haneho ny mpandray anjara ny zo­tram-pamokarana horonantsarimihetsika. Ankoatra ireo, tanjona ihany koa ny hamokaran’ny mpiofana taratasim-pamokarana horonantsarimihetsika fanentanana eto Ma­dagasikara.

Lin

Partager sur: