Nitondra fanazavana momba ny sakafo ara-dalàna sy mahavelona ary ara-pahasalamana ny tomponandraikitra misahana ny fandrafetana ny programam-panjakana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny rano fisotro madio, Antilahy Estelle.
Lohahevitra niaingan’ny fanazavana nentin’i Antilahy Estelle ny hoe: “Mampisakafo ny Malagasy amin’ny fotoana rehetra: oviana? Inona no ilaina hanatanterahana izany?”.
Ny olona misakafo ara-dalàna dia misakafo mahavelona sy mahasalama ary mitondra fahafenoana ny fitomboan’ny tsirairay ahafahany miaina ara-dalàna eo amin’ny fianakaviany sy ny tontolo manodidina azy. Sakafo mitondra hery ho an’ny vatana, entina miasa sy miady amin’ny aretina. Sakafo maro loko sy miovaova.
Ny rano fisotro madio no sakafo voalohany ilain’ny olombelona. Ny faritra 23 manerana an’i Madagasikara anefa dia tsy mahavita mamatsy rano fisotro madio ho an’ny antsasaky ny mponina ao aminy akory.
Ny 80% amin’ny tantsaha dia mamokatra ho an’ny tenany sy ho an’ny mponina an-tanàn-dehibe. Tsy mahaleo ny sarany anefa ny vidin’ny vokatra. Zara raha misy tombony ho an’ny mpamokatra izy ireny. Lanin’ny mpanelanelana ny tombony ary vao mainka tsy mampivoatra ny tantsaha izany.
Betsaka ny sivilazasiona mitondra ny fivoaran’ny sakafo. Anisan’izany ny sakafo ambifotsy sy ireo sakafo voahodina. Misy fiantraikany amin’ny seha-pamokarana izany. Mampihena ny famatsiana ny vokatra eto an-toerana ary mamono antoka ny tantsaha mpamokatra sakafo.
Marihina fa maintimolalin’ny fandaharanasa “Hubert Humphrey Fellowship”, tohanan’ny departemantam-panjakana Amerikanina i Antilahy Estelle. Misehatra eo amin’ny fandrafetana ny programam-panjakana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny rano fisotro madio izy ary efa 25 taona niasana tamin’ny faritra maro. Nanao fikarohana mahakasika ny fampiroboroboana ny fampivelarana ny vokatry ny tantsaha ihany koa.
Tatiana A




