Fandriampahalemana an-dranomasina : nigadona tao Antsiranana ny sambo mpiady Italiana Luigi

Nigadona ao Antsiranana, ny alatsinainy 23 oktobra 2023 lasa teo, ny sambo lehibe Italianina Luigi Durant de la Penne. Avy nanatanteraka fisafoana sy fitsirihana an-dranomasina niaraka tamin’ny sambon’ny Tafika an-dranomasina Malagasy, RC Trozona sy PC Malaky, ity sambo lehibe ity. Nandritra ity fitsidihana ity, noraisin’ny kaomandin’ny tobim-pamaharana ny contre amiral Sibon Guy Albert, ny kaomandin’ny hery Atalanta, ny amiraly Fabrizio Rutteri izay manana ny etamazaoro ambonin’ity sambo mpiady Italianina ity. Nitohy tamin’ny fitsidihan’ny delegasiona malagasy ny tao anatin’ny sambo na «visite à bord» ny lehiben’ ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina notarihin’ny con­tre amiral Tsiriniaina Gabriel. Fotoana nahafahan’ireo mpisehatra an-dranomasina nifanakalo hevitra amin’ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Namba­ran’ ny kaomandin’ny Atalanta fa vonona hatrany izy sy ny vondron-kery izay feheziny hanohana sy hiara-hiasa amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana an-dranomasina aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.

Jean Claude

Partager sur: