Fiomanana amin’ny fetin’ny Noely: omena sehatra ireo mpivarotra

Mihamitombo isan’andro ny olona mivarotra amin’ny ala­lan’ny tambajotra sosialy eto Madagasikara. Misedra olana amin’ny fandafosan’entana noho ny tahotry ny mpanjifa amin’ ny hadisoan’ny entana ny ankamaroan’izy ireny, raha ny fanadihadiana natao. Mba hanampiana azy ireny, ho fantatry ny olona sy hahazo mpanjifa bebe kokoa mihoatra ny isan’andro ny anton’ny hetsika «déstockage et vide tout» etsy amin’ny pk 0 Soarano, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. «Fanampiana ny olona misehatra eo amin’ny asa fivarotana varotra amin’ny alalan’ny tambajotra an-tserasera sy ireo manana botika nefa tsy mbola be mpahafantatra”, hoy i Feno, tomponandraikitra mikarakara ny hetsika. Ankoatra izay, efa ankatoky ny krismasy ny andro amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy entana vaovao ho an’ny mpanjifa manoloana ny fety. Ezahina ny handany ireo entana rehetra sisa tavela ary nasiana fidinana ny vidin’entana eny an-toerana. Tanterahina isaky ny volana novambra ny hetsika.
Mivoatra ny hetsika satria efa misehatra eny amin’ny toerana malalaka izy ireo. Olana amin’ny fikarakana hetsika eto Madagasikara, ny mpikarakara tsy mitsinjo ny mpanjifa.

Mino

Partager sur: