“Avan-drazagna”, izay mifanandrify amin’ny fetin’ny maty. Fetibe ary fotoan-dehibe tokoa ho an’ny Betsimisaraka io, rehefa voalohandohan’ny volana novambra toa izao. Maneho fa tsy manadino ireo efa lasa, kanefa koa mandrary ny fihavanana eo amin’ny velona…
Mahoraka toa ireny fetim-pirenena na fetin’ny faran’ny taona ireny ny voalohadohan’ny volana novambra, any amin’iny faritra Atsinanana iny. Fotoana fanaovana ny “Avan-drazagna”, izay nolazaina hoe “fetin’ny maty” izy io. Fomba efa mipetraka an-taonany maro izy ity ho an’ny foko Betsimisaraka. “Mangavagna”, izay mitovy dika amin’ny “manadio” sy ny “razana” izay enti-milaza ireo havana efa nodimandry mialoha no nahazoana ny teny “Avan-drazagna”.
Tsy mba manao famadihan-drazana toa ny foko hafa aty afovoantany izy ireo. Manaja sy manome voninahitra ny fototra nipoirana, toa ireo Malagasy rehetra kosa anefa. Tsy mifampikasokasoka amin’ny maty, raha tsy amin’ny fahoriana sy mandritra ny “Avan-drazagna” toa izao ny Betsimisaraka. Fanadiovana ny manodidina ny fasana no hatao mandritra izany, ankoatra ireo fombafomban’ny velona.
Tsikaritra fa maro ireo mpila ravinahitra any an-tanin’olona no mamonjy ny tanindrazana rehefa novambra toa izao. Fotoana iray mampiray ny fianakaviana mantsy ny “Avan-drazagna”. Fotoana mampiray ny fianakaviana, fifankahafantarana hoan’ireo “fasan-draika” (iray fasana) ary famitrarana ny fihavanana raha sanatria nisy ny disadisa io. Fisorohana ny mety ho fanambadian’ny mpihavana raha sanatria tsy mifankahalala izany.
Fotoana fangatahan-tsodrano ihany koa ny “avan-drazagna”. Itovian’ny Malagasy rehetra ny fanekena fa zava-mahery ny tsodrano avy amin’ny raiamandreny, na ny velona na ireo efa nialoha lalana. Fangatahan-tsodrano ho an’ny tetikasa ho avy, ireo hanorin-tokantrano, hanala fanadinana, mitady asa, sns. Ireo tena tsy afaka dia mandefa ny “tômbagna”, na ny vola fandraisana anjara fangatahan-tsodrano, amin’ny maha zava-dehibe azy.
Marihina fa tsy mifanipaka amin’ny fomba kristianina, izay mankalaza ny fetin’ny olo-masina sy ny fahatsiarovana ireo maty ny “Avan-drazagna”.
Nangonin’i Zo ny Aina
Fanampim-baovao : Fiadidiana ny Faritra Atsinanana




