Raikitra ! Hifanandrina etsy amin’ny Kianjan’ny kanto Imahamasina ny tarika roa lehibe eo amin’ny tontolon’ny hiragasy. Alahady 5 novambra izao, « Hiragasy Goavambe ». Samy haneho ny traikefa matanjaka ananany eo imason’ny mpijery ny tarika Rainitelo Andohavary sy Raveloson Arivonimamo. Ho an’ny mpitia hiragasy : « ady mangotraka tsy fahita firy ny tahaka izao. Aleo manatrika » ! Ho an’ny tanora : « ho tonga maro izahay, satria, ankoatra ny maha zavakanto azy, mifono anatra sy fitaizana ho olom-banona, ny hiragasy ».
Marihina fa anisan’ny tarika mpanao hiragasy zatra ady goavana tahaka izao ry Rainitelo Andohavary sy Raveloson Arivonimamo. Afaka mifehy tsara ilay fahaiza-mampita ny kanto sy ny kolontsaina malagasy ho an’ny mpijery. Anisan’ny mampisongadina ny tarika Rainitelo ny fananana renihira mafonja. Ny fahaizana mikabary kosa no anisan’ny mampiaiky ny mpijery amin’ny tarika Raveloson Andohavary.
Tombony lehibe ho an’ny mpijery hiragasy ny fahafahan’izy ireo mifanerasera sy mitafa mivantana amin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika tsirairay.
HaRy Razafindrakoto




