Toetr’andro : tsy ahina ny tranga mahery vaika

Nanome toky ny mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy hisy ny tranga mahery vaika na mihoapampana ho an’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity. Atmosfera tsy ho marin-toerana miampy ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimo atsinanan’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Ny fikorontanana ao atsimon’ny Nosy kosa no handrafitra ny toetry ny andro anio. Hitoetra tsikelikely ny tsiokan’ny Alizay tsy marin-toerana aorian’izay. Hisy ny oram-baratra any Melaky sy Boeny ary any Atsimo Andrefana hatrany Androy ary any amin’ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy. Hisy eto Analamanga amin’ny faritra sasantsasany ny orana tandrifin-drahona vitsy mandritra ny herinandro. Hisy koa ny orana malefaka any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro, ho an’ireo mpiala sasatra amin’ireny toerana ireny. Mikasika ny maripana dia ahitana fidinany izany amin’ny ankapobeny indrindra ny any atsimon’ny Nosy. Manodidina ny 13°C hatramin’ny 25°C ny maripana amin’ny maraina ary hanodidina ny 26°C hatramin’ny 40°C izany ny tolakandro.

Tatiana A

Partager sur: