Mitaintaina ny mponina eny amin’ny faritra avo tataovan’ireo vatobe mandindona. Anisan’izany ny eny Ankadilalana izay ahitana izany efa manomboka mitriatra. Mifarimbona ny tomponandraikitra mitady vahaolana.
Mihamitriatra ary lasa ivoahan’ny rano ireo vatobe mitatao ao Ankadilalana, araka ny tsikaritry ny mponina eny an-toerana. Manahy ny mety ho fahavakisan’io vato io ny mponina ka hitera-doza ny ho fianjerany tampoka amin’ireo trano eny amin’ny manodidina.
Nampandre ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny BNGRC ny mponina mipetraka eo ambanin’io vatobe io.
Natomboka avy hatrany ny fandraisana andraikitra niarahan’ny BNGRC sy ny Sampana mpamonjy voina ary ny Corps de protéction civile (CPC). Nifarimbonana tamin’ireo mpamaky vato izay avy amin’ny mponina ihany ny asa. Manara-maso ny fizotry ny asa izy ireo ary miantoka ny fiarovana ireo mpamaky vato kosa ny mpamonjy voina.
Haharitra roa herinandro ny hanalana ny vatobe raha ny vina. Efa nafindra toerana vonjy maika kosa ireo mponina tena tataovan-doza.
Manaitra ny mponina eny amin’ireo toerana mety hitera-doza ny BNGRC. Anisan’izany ireo eny amin’ny faritra avo, izay efa nametrahana saina mena, midika fa efa tandindomin-doza izy ireo, indrindra amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao.
Ny miala amin’ny toerana mety hitera-doza no fisorohana tsara indrindra. Mila mampandre haingana ny tomponandraikitra ihany koa raha misy loza manambana eny amin’ny toerana, toy ny vato na hazo na rindrim-bato na tevana ahina hihotsaka….
Anisan’ny faritra mena ary efa nametrahana saina mena hatry ny ela ny eny amin’ny fokontany Manjakamiadana, Antsahondra, Ankadinandriana, Ambaravarambato, Ambatomitsangana ary ny eny Andrefandrova. Eo koa ny fokontany Tsimialonjafy, Ampahamarinana, Ambonin’Ampahamarinana, Tsarafaritra, Ambohipotsy, Ambavahadimitafo, Fort-Voiron.
Tatiana A




