Rivodoza 2026–2027 : Manamafy ny fahaiza-manao ny Meteo

Ho fiomanana sahady amin’ny vanim-potoan’ny rivodoza 2026-2027, manamafy ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo teknisianina ao aminy ny Foibe famantarana ny toetr’andro, ny herinandro lasa teo. Fiofanana sy fanavaozana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina misehatra amin’ny fanaraha-maso, faminavinana ary famokarana ireo vaovao mahakasika ny rivodoza no notanterahina. Singa fototra ao anatin’ny rafitra fanairana mialoha rehefa misy ny ambana ateraky ny andro ratsy na ny rivodoza koa. Teknisianina avy amin’ny foibe sy ireo sampandraharaham-paritry ny famantarana ny toetry ny andro manerana ny Nosy no nisitraka mivantana izany.
Paikady vaovao ao anatin’ny Fandaharanasan’ny Fikambanana maneran-tany misahana ny toetr’andro (OMM) mahakasika manokana ny rivodoza izao hetsika izao. Niara-nisalahy nanomana izany ireo manam-pahaizana avy ao amin’ny Centre météorologique régional spécialisé (CMRS) ao La Réunion, miaraka amin’ny tohana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola maro toy ny Pam, Pnud, ny ONG Start Network sy ny FAO

Vonjy

Partager sur: