Handray mpianatra manomboka ny volana desambra ho avy izao ny Arovy University eny Ambohimanarina Atsinanana-Fiaferana. Manana lalam-piofanana sivy izy ireo fa ny mampiavaka azy dia ny mentions «sciences médicales et technologie biomédicale». «Mampiasa fitaovana avo lenta izy ireo hokirakirain’ny mpianatra hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana omena sy ahafahan’izy ireo miatrika ny tranga rehetra ka tsy ho sahirana rehefa eny am-perinasa», hoy ny fanazavan’ny profesora Raveloson Nasolotsiry, tomponandraikitry ny mentions sciences médicales eo anivon’ny Arovy University. Fitaovana avo lenta sy lafo vidy izy ireto ka mbola ity oniversite tsy miankina amin’ ny fanjakana ity ihany no manana azy hatramin’izao. Tanjona ny hanome diplaoma ahitana asa mahavelona eto Madagasikara sy any ivelany ho an’ny mpianatra rehefa vita ny Masters. Manana ivontoerana ahazoana manao fizarana asa avy hatrany ao amin’ny Arovy Clinique roa sy ny IMM Anosy ny oniversite ankoatra ny orinasa mpiray ombon’antoka maro.
Ankoatra ny fampianarana, oniversite manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izy ka ahitana toeram-pisakafoana ho an’ny mpianatra, fotodrafitrasa ahazoana manao fanatanjahantena sy ny fampivelarana ny kolontsaina. Isan-taona ny fizarana asa, manomboka amin’ny L1, araka ny fanazavan’ny mpitantana voalohany, Andriamampandry Mamy.
Vonjy A.




