INDRAY MIJERY

Fianakaviana 1 200, ahitana olona 8 000, avy amin’ny kaominina 10 mbola voasokajy ho marefo noho ny takaitra navelan’ireo rivodoza nifanesy tao anatin’ny 2 taona, no nomena tosika ara-tsakafo milanja 29, 400 t avy amin’ny BNGRC. Manampy azy ireo ny fianakaviana 200 (1 200 olona) tratran’ny haintrano farany teo teto antampon-tanànan’i Vohipeno.
Hitambatra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy amin’ny ankapobeny ny oram-baratra ato anatin’ny roa andro ho avy. Eto Antananarivo, tombanana mbola ho ratsy ny kalitaon’ny rivotra vokatry ny fivangongoan’ny singa madinika izay avo telo heny amin’ny fenitra tokony ho izy. Mila mailo, noho izany, ireo marefo amin’ny taovam-pisefoana.
Nampiofanina ireo mpampiofana amin’ny fitantanana FEFFI, kolejy sy lycée, ao anatin’ny Dren Itasy tao amin’ny CEG Miarinarivo, ny herinandro lasa teo. Ny DEFPE sy ny DGES no nitarika ny fampiofanana ary famatsiam-bola avy amin’ny “Fond commun de l’éducation” (FCE) no nanatanterahina izany.

Partager sur: