Tetikasa Fitaratra: hiady amin’ny zava-mahadomelina miteraka herisetra an-tsekoly

Nosantarina ny taona 2021 ny tetikasa “Fitaratra” miaraka amin’ny fikambanana Imaso Ivoho miady amin’ny herisetra an-tsekoly. Betsaka ny vokatra azo sy ny asa efa tontosa tao anatin’ny roa taona voalohany.

“Ho an’ny taom-pianarana 2023-2024, hitodika kokoa amin’ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina miteraka herisetra any an-tsekoly eo amin’ny samy mpianatra na koa eo amin’ny mpanabe ny hetsika”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Ralaiarijaona Anja Lalaina, teny Anosy. Araka ny antontanisa azon’ny fikambanana avy amin’ ny centre Aro Aina, ny 80% amin’ny tanora mandray zava-mahadomelina dia eo anelanelan’ny 16 -21 taona, ary ny 40% kosa ankizy 13 taona, mitsindrona “heroine”. Nangataka manokana ny tomponandraikitra avy any Atsinanana fa ilaina ny hanaovana ady amin’ny zava-mahadomelina any Toamasina satria mirongatrabe izany tranga izany. Manampy io faritany io koa ny faritra Analamanga, vakinankaratra ary ny tanànan’i Mahajanga satria betsaka ny ankizy sy ny tanora no roboka amin’ny fandraisana zava-mahadomelina ka ilana hetsika. Ho an’i Mahajanga, nanambara ny zandary fa betsaka ny tanora 12 -17 taona mandray zava-mahadomelina rehefa mandeha manao fisafoana amin’ny alina izy ireo. Ho an’Antsirabe, lalana (RN7) andalovan’ny “cannabis” avy any Atsimo ao, ka tsy vitsy koa ny tanora voasarika handray azy. Eto Antananarivo no be tanora indrindra manintona ireo mpivarotra zava-mahadomelina.
Hamokatra horonantsary mampiseho ny herisetra vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina ny “Fitaratra” ary halefa hojeren’ny mpianatra any amin’ny sekoly 60, ahitana kolejy sy lycée, amin’ireo faritra efatra iasana. Hampanao fifaninanana mamorona sary mampiseho ny iainan’ny mpianatra ianjadian’ ny herisetra an-tsekoly ny fikambanana ka ny vokatra 20 mendrika no hoentina mitety toerana maro ho hitan’ny daholobe.

Vonjy A.

Boky torolalana

Efa namokatra boky torolalana iadiana amin’ny herisetra an-tsekoly ny fikambanana anatin’ny tetikasa “Fitaratra”, ny taona 2022. Nozaraina tamin’ny mpanabe sy ny mpanara-maso ny fanabeazana ny boky entiny miasa. Nisy koa famokarana horonantsary fijoroana vavolombelona nataon’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra niharan’ny herisetra an-tsekoly miaraka amin’ny fanazavan’ny “pseudo psychologue” ny endrika isehoan’ny herisetra an-tsekoly.

Partager sur: