Tsy misy ny lafatra

 

Mampihoron-koditra ny amban’ny hetsika politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana anio, indrindra ny eto an-drenivohitra. Andaniny, mitombo an-dalana ny vondrona sy olona mitaky ny hanemorana ny fifidianana. Azo lazaina fa nivadika tanteraka tamin’ny namany sy ny mpiara-mitolona taminy ireo milaza fa raiamandreny eto amin’ny firenena. Niala lavitra ny kandidà laharana fahatelo ny filohan’ny Antenimierampirenena. Asa alahelo sa valifaty politika?
Ankilany, tsy mbola miova amin’ny zotra arahiny ny kandidà Andry Rajoelina sy i Siteny Randrianasoloniaiko, ary ny kandidà laharana faha-11, Sendrison Daniela Raderanirina. Samy manohy ny fampielezan-kevitra arakaraka ny mahametimety azy izy telo mirahalahy. Ny kandidà laharana faha-13, i Siteny R aza efa mametraka ny fitaovana ho ampiasainy amin’ny fihodinana faharoa hoe, araka ny fampitam-baovao. Midika izany fa maro koa ny Malagasy, misafidy ny handeha handatsa-bato.
Tsy azo hamaivanina ny safidin’ny maro fa tsy izay miteniteny eto an-drenivohitra no tompon’ny marina sy tompon’ny teny farany. Tsy misy afa-tsy ny fifidianana no afaka mamaha ny olana eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga ireny fanambaran’ny fivondronamben’ny Eveka ireny. Tsy misy ny ho tonga lafatra, tsy misy ny hahafa-po ny rehetra amin’ny tontolo politika fa izay mampilamina no hatao.
Mipoitra tsikelikely ny kajy maloton’ny mpanao politika. Izay tsy manana herijika ka te hitondra dia milalao vahoaka. Lasa fitaovam-piadiana hakana ny fon’ny olona ny fankahalana ny kandidà laharana fahatelo. Ambakaina amin’ny tsy fahalalana ny mponin’Antananarivo. Eto rahateo no hany misy hetsika mahasarika ny olona fa ankoatra izay, miandry ny datin’ny 16 novambra.
Eto indrindra no hanentanana ny mponin’ Antananarivo, tsy hanaiky ho vaorebireby na ho sorona very maina ho an’ny sasany fotsiny.

r.r

Partager sur: