Fipoahana herinaratra: ravan’ny afo tanteraka ny « Espace Dera », eny Tsiadana

Nivadika lavenona tao anatin’ny minitra vitsy ny “Espace Dera” eny Tsiadana Ampasanimalo, omaly atoandro. Niparitaka tamin’ny orinasa hafa ny afo. Trano fandrasain-danonana malaza sady fisakafoana niampy orinasa roa hafa may, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy 28 minitra. “Niainga tao amin’ny efitra ambony rihana, espace Dera, ny afo”, hoy ny mpiasa iray tao amin’ilay orinasa iray. Poa toy izay, niparitaka nanerana ny trano ny lelafo.
Nanampy trotraka ny fisian’ny entona fandrahoana na “gaz” tao anatin’ny efitrano fahandroana ka nampiitatra vetivety ny firehetana.
“Indray nipi-maso dia rakotry ny afobe nijoalajoala io toerana io “, hoy ny fanazavan’ny sefo fokontany Ampasa­nimalo, Rakotonirianjanahary. Nanao izay ho afany, nifehy ny firehetana ny sampana mpamonjy voina, saingy efa nisy niparitaka tamin’ny orinasa hafa tsy lavitra teo izany. Naharitra ora telo ny fi­reheta­na. “Maty tanteraka ny afo tamin’ny 3 ora sy sasany”, hoy ny Kly Tiana Razafimana­haka.
Ankoatra ny Espace Dera, izay efitrano fandraisan-danonana, voakasiky ny afo koa ny trano fiasana misehatra amin’ny informatika sy toeram-pisakafoana iray hafa. “Call center” io may tao amin’ny trano fitaratra io”, hoy ny fanamafisan’ny sefo fokontany ao an-toerana. Tetsy ankilany, niezaka namoaka ny fitaovam-piasana rehetra izay azony nalainy ny mpiasa tao amin’ilay trano fandraisan-danonana. Fiara lehibe efatra sy ka­miaobe citerne iray no nampiasain’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana sy Andra­voahangy tamin’ny famonoana ny afo. Mampahatsiahy hatrany ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina fa mila mailo ary mitandrina hatrany ny tsirairay hisorohana ny loza toy izao. “Misokatra tanteraka ny fanadihadiana fa ahina ho fifampikasohan’ny herinaratra no niteraka ny loza”, hoy ny kaomandin’ny sampana mpamonjy Voina, Kly Tiana Razafi­manahaka.

Tsiferana R.

Partager sur: