Trafika eny Ivato : Vovo-bolamena antsasa-kilao saika aondrana

Teratany Sri-lankais iray saika ho any Dubaï, mandalo Kenya, no tra-tehaka afakomaly folakandro, teny Ivato. Saika hanondrana an-tsokosoko vovo-bolamena 575 grama izy.

Vovo-bolamena milanja 575 grama, saika aondrana an-tsokosoko any Dubaï no tratran’ny brigady iraisan’ny zandary sy ny polisy, ary ny fadintseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly. Tompon’antoka ta­min’izany ny teratany Srilankais iray. Naka ny zotram-piaramanidina mandalo ao Nairo­bi, Kenya izy no voasambotra. Nafenina tanaty fonosan-javatra kely maintimainty roa ny entana.
Ireo sivily mpanara-maso avy ao amin’ny Amarantes no voalazan’ny loharanom-baovao fa nahatsikaritra ny fihetsika mampiahiahy nataon’ity lehilahy teratany vahiny, 59 taona ity. Nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo ka niroso tamin’ny fisavana. Notazomina am-pamonjana eny amin’ny biraon’ny zandary, seranam-piaramanidina Ivato, izy miandry ny tohin’ny fanadihadiana.
Marihina fa nitondra taratasy milaza fa ara-dalàna ny entany ity teratany Sri-lankais ity. Ni­tondra fanamarinam-pividianana ilay volamena izy. Andrasa­na ny tohin’ny fanadihadiana satria amin’ny maha heloka ekonomika ny trafikam-bato eto Madagasikara dia matetika mi­ditra amin’ny fanaovana «tran­saction» na ny fanefana ny onitra mifanaraka amin’ny takin’ny lalàna ilay mpanao trafika.
Nalefa eny amin’ny toeram-pitiliana eo anivon’ny fadin-tseranana, miara-miasa amin’ny laboratoaran’ny harena an-kibon’ny tany, kosa ny vovo-bola­mena. Tamin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nahazo ny va­lin’izany ny mpanao gazety. Nisy ny antso an-tariby natao tamin’ny fitaleavana jeneralin’ny Fadintseranana fa mbola teo am-piandrasana izany izy ireo.

r.r

Partager sur: