Fanabeazana mampiaty: Mitaky ezaka marolafy vao tratra ny tanjona

Mitaky ezaka amin’ny sehatra maro ny fahatanterahan’ny fanabeazana mampiaty. Nomarihina omaly, ny Androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty andiany fahatelo teto Madagasikara.
Lohahevitra novoizina ny hoe, “Fanabeazana Mampiaty: samihafa mifandray, mitovy zo, miara-beazina ho soa. Ny toe-tsaina ovao, ny fampiatiana ampanjakao”.
Mbola tsy tena hita taratra amin’ireo sekoly eto Madagasikara ny fanabeazana mampiaty satria mbola misy sekoly manavaka ny mpianatra hisitraka ny fanabeazana ao aminy.
Ny fisitrahan’ny ankizy rehetra tsy ankanavaka ny fanabeazana mitovy tsy misy tombo sy hala no handikana ny fanabeazana mampiaty. Na samy hafa fihodirana na firazanana na manan-kilema na tsia na tsy mitovy saranga…dia tokony hisitraka fanabeazana tsy mitanila, marindrano ary anaty tontolo mifanaraka amin’ny maha izy azy avy ny tsirairay.
Mbola maro anefa ny sekoly tsy manana fotodrafitrasa akory ho an’ireo manana fahasembanana ara-batana. Tsy ampy fiofanana handray ireo ankizy manana fahatarana ara-tsaina. Tsy mifanaraka amin’ny tontolo mirindra ho an’ny ankizy ny fotodrafitrasa misy.
Mila ny ezaky ny rehetra, araka izany, ny fanatrarana ny tanjona hisian’ny fanabeazana mampiaty hisian’ny fifandraisana anaty fahasamihafana ary ny fitovian-jo amin’ireo samy beazaina. Mitaky fanovana toe-tsaina ny fampanjakana ny fampiatiana. Fifarimbonan’ezaky ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny fiarahamonina miaraka amin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka no hahatafita ny tanjona.

Tatiana A

Partager sur: