Fitsimbinana ireo mpikarakara marary avy lavitra tsy manan-kavana eto Antananarivo ny antom-pisian’ny foibe sosialy Anyma. Maharitra ny fitsaboana ka mila toerana ivantanana ireo mpanaraka marary mba hahalavorary ny fitsaboana.
Notokanana, omaly, ny trano foibe sosialy, nasiam-panitarana, fandraisana ireo mpikarakara marary eto Antananarivo tantanan’ny fikambanana Arovy ny marary (Anyma) etsy Andrefan’Ambohijanahary.
Sarotra amin’ireo olona manana marary avy any amin’ny faritra, tsy manan-kavana eto Antananarivo ny toerana ivantanana mandritra ny fikarakara ny marary. Tsy vita ny hipetraka amin’ireo trano fandraisam-bahiny satria tsy iray na roa andro ny fitsaboana indrindra ho an’ireo mitsabo ny aretina homamiadana, tsy maintsy manao chimiothérapie.
Efa midangana ny fandaniana amin’ny fanafody, manampy trotraka ny fahasarotana amin’ny trano hipetrahan’ny mpikarakara. Izany indrindra no antom-pisian’ny fotodrafitrasa, hoy ny profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana, avy ao amin’ny fikambanan Anyma. Efa hatramin’ny taona 2010 no nisy ny foibe sosialy Anyma.
Marobe ny fangatahana ataon’ireo fianakavian’ny zaza mararin’ny homamiadana mba hanitarana ny toerana satria tsy naharaka. Ny sampan-draharaha mitsabo ny homamiadana ao amin’ny HJRA sy ny fikambanana mikaraka ny homamiadan’ny zazakely no nangataka ny fanitarana ka nanapa-kevitra ny tomponandraikitra. Nitarina ho rihana roa ny fotodrafitrasa.
Miainga any amin’ny Anyma any amin’ny hopitaly mihitsy ny sivana ary tena ireo manana marary avy lavitra, tsy manana fianakaviana iantranoana eto Antananarivo mandritra ny fanarahana ny fitsaboana no tena raisina.
Manakaiky ny hopitaly eto Antananarivo ny foibe Anyma ka manampy ny olona amin’ny fivezivezena mandritra ny fikarakarana marary. Betsaka ny olona mararin’ny homamiadana manerana ny Nosy. Matetika efa lany haiky amin’ny fitsaboana natao ivelan’ny toeram-pitsaboana ny marary vao miakatra eto Antananarivo manatona hopitaly. Efa lany vola ka sahirana, natao hanampiana azy ireo indrindra ny toerana.
Efa indroa niantrano tao i Olga
Avy any Toliara i Olga, mitondra ny zana-drahavaviny lahikely 5 taona, tsaboina eto Antananarivo. Handalo fandidiana faninefany amin’ny talata izao io zaza io. Ny fandidiana roa natao tany Toliara ary ny roa tsy maintsy eto Antananarivo. Manampy azy ireo ny foibe sosialy Anyma etsy Andrefan’ Ambohijanahary, efa fivantanan’izy ireo mandritra ny fotoam-pitsaboana. Tamin’ny volana febroary ny fandidiana fahatelo ary amin’ny talata izao ny fahefatra. Mafy ny manana marary indrindra tsy maintsy tsaboina aty an-tany lavitra tsy misy olom-pantatra, hoy izy.
Tatiana A




