Marovoay: Kaominina 3 nahitana lefakozatra

Nidina haingana any Ma­rovoay ny tomponandraikitry ny fahasalamana foibe nanao fanentanana manokana amin’ny ady amin’ny aretina lefakozatra . Fantatra fa kaominina 3 any an-toerana no ahitana ny trangana lefakotra indray. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Marovoay Ambonivohitra, Marovoay Banlieu ary ny kaominina An­kazomborona.
Nihaona mivantana tamin’ny tomponandraikitra eny ifotony ny talen’ny fanaovam-baksiny nasionaly, Rakotona­valona Rivomalala.
Anaovana ezaka manokana ny fitadiavana ireo zaza tsy mbola nisitraka vaksiny mihitsy na dia fatra iray aza. Hatao vaksiny izy ireo hisorohana ny fiitaran’ny valanaretina.
Nanaiky ny tomponandraikitra eny ifotony amin’ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ ny lefakozatra. Voakasik’iza­ny ireo mpiantsehatra rehetra eny amin’ny fiarahamonina, ireo olona to teny, mpanabe. Mila fohazina sy ampandraisina andraikitra izy ireo hampahomby ny fahasalamana.
Aretina azo avy amin’ny tay miparitaka ny aretina lefakozatra. Zava-dehibe, araka izany, ny fananana lavapiringa voafehy tsara mba tsy hampiparitaka ny loto. Eo koa ny fa­najana ny fanadiovana mba tsy ho tonga any am-bava ny loto.
Mampitondra kilema ny zaza ary mitarika amin’ny fahafatesana mihitsy ny aretina lefakozatra. Zava-doza ity aretina ity ka mila fongorina. Ny fanaovam-baksiny no fisorohana tsara indrindra ary ilaina ny manamafy izany.

Tatiana A

Partager sur: