Minisitra Soafilira Princia: mila havondrona ny hery hiadiana amin’ny herisetra

Manomboka anio ary hitohy hatramin’ny 10 desambra izao ny hetsika hisorohana sy hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe : «Isika rehetra mitambatra mba hisorohana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy» .
Vehivavy 1 amin’ny 7 kosa no tratran’ny herisetra ara-nofo ka ny trangana herisetra ao an-tokantrano no tena maro anisa amin’izany.
Maro ny ezaka efa natao ho an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mpo­nina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy izay tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Anisan’ izany ny fametrahana ny Ivontoerana fihainoana sy fandraisana an-tanana ireo niharan’ny herisetra. Miara-misalahy amin’izany ireo vondron-kery marolafy. Mila ha­vondrona anefa ny hery, mila mifanabe sy sahy mijoro.
Manentana ny rehetra hitondra ny anjara birikiny amin’ny ady amin’ny herisetra hatao amin’ny sokajin’olona rehetra ny minisitra Soafilira Princia.

Tatiana A

Partager sur: