Toetr’andro: hiakatra be ny hafanana

Hisongadina ny fiakaran’ny hafanana ao anatin’ny 3 andro manaraka raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Efa niaina izany rahateo isika tamin’ity herinandro ity. hahatratra hatrany amin’ny 38°C ny hafanana any Melaky sy Boeny ary Betsiboka. Ho hita taratra manerana ny Nosy izay fiakaran’ny maripana izay raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro.
Ho mora ny fiparitahan’ny afo amin’izao fotoana izao satria ho maina tanteraka ny andro ary misy tso-drivotra indraindray manafaingana ny fiparitahan’ny lelafo. Varatra­za malefaka sy tsy marin-toerana ihany koa no mamaritra ny toetr’andro ao anatin’izay 3 andro ho avy, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hitohy ny orana malefaka anio any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy, miainga any Sava hatrany Atsimo Atsinanana.
Nidina kely ny fahalotoan’ny rivotra tamin’ity herinandro ity. Vinavinaina hiakatra tsikelikely izany fahalotoan’ny rivotra izany ao anatin’ny telo andro ho avy. Mila mitandrina hatrany ireo olona marefo manoloana izany.

Tatiana A

Partager sur: