Tratran’ny mpitandro filaminana avy amin’ny CSP2, tetsy Ambolokandrina, ny jiolahy roa, ny zoma 24 novambra teo. Polisy teny an-kianja no nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa an’ireo mpanendaka roa lahy ireo. Efa nanambana olon-tsotra sy nanery ity farany hamoaka ny zava-tsarobidy teny aminy izy mirahalahy. Raikitra ny fisamborana ka niezaka nandositra ireo tsy mataho-tody. Tsy lasa alavitra, saron’ny polisy izy mirahalahy. Efa mpanendaka mpandeha anaty taxi-be eny amin’ny manodidina an’Ambohipo iny izy ireo. Naparitaky ny mpampiasa tambajotran-tserasera ny sarin’ny iray amin’ireto mpanendaka ireto ka nanamora ny famantarana azy. Natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy mirahalahy.
Tsiferana R.




