Manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina gripa, nitondra fampahafantarana ireo fisehoan’ny aretina ny minisiteran’ny Fahasalamana, anatin’ny tambajotran-tseraserany. Aretina avy amin’ny viriosy ny gripa ary haingam-pifindra amin’ny alalan’ny piti-drora sy ny evona.
Mety hararirary ny tenda rehefa mitelin-drora, tsentsintsentsina ny orona, maimaina ary misy manitikitika ny lalan-drivotra. Miitatra amin’ny koha-maina avy eo na mety misy rehoka kely, miakatra ny hafanana, marary an-doha. Mangorangorana ny vatana ary vizana tanteraka avy eo.
Ho an’ny ankizy, mety tsy hahafantatra ny tranga mahazo azy ka mila fantarin’ny ray aman-dreny ireo tranga ivelany ho famantarana ny toe-pahasalamany. Mety hikohoka sy voan’ny sery, miakatra ny hafanana,mety hangovitra ny vatany ary malain-komana. Avy hatrany dia manatona dokotera mba tsy hampiitatra ny aretina.
Hahafahana mandresy ny valanaretina gripa dia torohevitra nomen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny tokony hampitomboana ny herim-batana amin’ny fihinanana voankazo na sakafo betsaka vitamina C sy vitamina A. Maka aina tsara, matory sy misakafo ara-dalàna, misotro rano mafana matetika. Azo atao ny mievoka amin’ny entona mafana…, manao gararaka hanamaivana ny tenda sy manamandina ny tratra izay marary.
Tatiana A




