Nankalazaina ny sabotsy teo ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Nanombohan’ ny 16 andro natokana hanaovana hetsika mahakasika izany. Izay haharitra hatramin’ ny 10 desambra izao. Anisan’ ny mankalaza izany i Madagasikara. “Resentsika miaraka ny herisetra” no lohahevitra mandritra izany. Mba ho firotsahana sy fitondrana feo manohitra ny herisetra.
Tranga sy olana goavana ary manimba ny fiainan’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina ny herisetra mianjady amin’ny ankizivavy sy ny vehivavy. Fotoana izao andraisana fepetra sy vahaolana hamongorana azy io. Amin’ny alalan’ ny fanentanana ny tsirairay, hiadiana amin’ireo trangana herisetra. Mankalaza izany ny fikambanana sy ny sampandraharaha maro samihafa. Toy ny eo anivon’ny polisim-pirenena, ny fikambanan’ny skoto lahy sy vavy manerana ny Nosy…
Marihina fa 8 468 ny trangana herisetra voarain’ny Brigade féminine de proximité an-tanana tamin’ity taona ity. Nalefa eny amin’ny Police des Mœurs et de la protection des mineurs (PMPM) ny 639 amin’izany, raha ny tatitra voaray hatrany. Olona ampolony nidoboka am-ponja noho ny resaka herisetra. Olona 230 446 nisitraka fanentanana mahakasika ny herisetra nataon’izy ireo.
Mino




