Anisan’ny fanampiana ireo niharan’ny herisetra ny fihainoana azy ireo. Mba hanasitranana ny fery ao anatiny vokatry ny herisetra nianjady taminy.
Hanatanteraka valandresaka etsy Analamahitsy ny fikambanana TAO, ny 2 sy ny 16 desambra izao, amin’ny 9 hatramin’ny 11 ora. Natokana ho an’ireo olona maherin’ny 18 taona, niharan’ ny herisetra na ny fianakavian’izy ireo izany. Hisy ny fihainoana sy fikarakarana ireo olona ireo mandritra izany. Tanjona ny hanampiana sy hiarenan’ireo olona lasibatry ny herisetra. Amin’ny alalan’ny famoahan’izy ireny ny alahelo ao anatiny. Eo koa ny hanampiana sy hanasitranana ny fery ao aminy noho ny fiantraikan’ny herisetra nihatra taminy.
Ahitana mpanentana sy psikology isaky ny sokajy iray. Mijanona ho tsiambaratelo ny resaka sy ny mombamomba ny mpandray anjara, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Mba ho fiarovana azy ireo, afaka mangataka fihaonana manokana amin’ny nanome tohana ara-tsaina ny mpandray anjara amin’ny fiafaran’ny fivoriana. Azon’ny rehetra atao ny manoratra anarana ao amin’ny pejy facebookn’ny fikambanana TAO hatramin’ny 30 novambra izao amin’ny hetsika izay hatao ny 2 desambra 2023. Hifarana amin’ny 15 desambra kosa ny fisoratana anarana amin’ny hetsika amin’ny 16 Desambra. Anisan’ny fikambanana iray manentana sy miaro ary miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy eto Madagasikara ny fikambanana TAO. Mbola ho avy ny hetsika ho an’ ny ankizy niharan’ny herisetra.
Mino




