Tanambao fahadimy : vaky ny adin’ny mpino sy ny mpitandrina

Vaky indray ny adin’ny mpino sy ny mpitandrina misahana ny fiangonana FJKM- Betela, ao Tanambao fahadimy Toamasina, raha ny trangan-javatra niseho hatramin’ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo ary nitohy ny alahady maraina. Ampangain’ny kristianina fa manodinkodim-bola sy ratsy fitantanana ny mpitandrina sady maneho fanavakavahana eo amin’ ny samy mpino. Nizara taratasy nampahafantatra ireo tranga ireo ny mpino ary tonga teny amin’ny mpanao gazety. Vokany, ny sabotsy alina lasa teo ihany, efa nisy namatotra tamin’ny rojovy ny vavahady rehetra ety ivelany. Nihidy tahaka izay ihany koa ny fiakarana eny amin’ny pilopitra sy ny efitra misy ireo zava-masina sy ny fitatazana rakitra.
Isaky ny alahady, misokatra amin’ny 4 ora sy sasany ny varavaram-piagonana satria amin’ny 5 ora maraina ny fotoam-pivavahana voalohany. Vory lanona teo ivelan’ny fiangonana ny kristianina hamonjy fotoam-pivavahana. Tonga maraina teo ihany koa ny polisy hanaraka akaiky ny toe-draharaha. Vetivety dia niravona ny disadisa raha vao fantatra fa tsy eo an-toerana ny mpitandrina fa lasa any Foulpointe. Hita ho nizara roa niavaka tsara ny mpino tonga tao am-piangonana: ireo miaro ny mpitandrina andaniny, sy ireo mitaky ny fialany ankilany.

Sajo

Partager sur: