tandindon-doza : tanora 27 niofana ho mpanentana

Niofana nandritra ny hateloana, tany Taolagnaro, ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo 27 hisahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (GRC) manerana ny Nosy, ny herinandro lasa teo. Hamafisina ny asa ho an’ny faritra hisehoan’ny loza matetika ka nametraka sahanasa fanentanana mialoha sy aorian’ny fiavian’ny loza ireo tanora miaraka amin’ny BNGRC. Satria mpisehatra eny anivon’ny fiarahamonina ireo tanora GRC ary mpampita hafatra fanentanana. Ilaina rahateo ny manomana ny vahoaka amin’ny fiatrehana ny fiavian’ny loza samihafa ka samy manana ny fahaiza-manao mampiavaka azy, arakaraka ny toerana misy azy ny tanora GRC. Taorian’ny atrikasa, vonona izy ireo hitarika ny hetsika fanentanana eny anivon’ny fokontany satria nohamafisina ny fahaiza-mitarika ahazoana mandrakotra toerana maro. Hiompana betsaka amin’ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana ny vontoatin’ny hafatra hampitaina.

Vonjy

Partager sur: